Matthew 20

1Fa ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny tompon-tany izay nandeha vao maraina be hanakarama mpiasa ho an’ny tanim-boalobony. 2Rehefa avy nifanaraka tamin’ireo mpiasa izy fa ho denaria iray isan’andro ny karaman’izy ireo, dia nalefany tany amin’ny tanim-boalobony izy ireo.

3Nivoaka indray izy tamin’ny ora fahatelo ary nahita mpiasa hafa nijorojoro tao an-tsena. 4Hoy izy tamin’izy ireo hoe: ‘Ianareo koa, mandehana any amin’ny tanim-boaloboka, ary izay an-keviny marina dia homeko anareo.’ Ka nandeha niasa izy ireo.

5Mbola nivoaka indray izy teo ho eo amin’ny ora fahenina ary koa tamin’ny ora fahasivy, ary nanao toy izany ihany. 6Tamin’ny ora fahiraika ambin’ny folo dia nivoaka indray mandeha koa izy ary nahita mpiasa hafa nijorojoro. Hoy izy tamin’izy ireo hoe: ‘Nahoana ianareo no mijoro eto mandritry ny tontolo andro?’ 7Hoy izy ireo taminy hoe: ‘Tsy misy olona manakarama izahay.’ Hoy izy tamin’izy ireo hoe: ‘Ianareo ihany koa mandehana any amin’ny tanim-boaloboka.’

8Rehefa tonga ny hariva, dia niteny tamin’ny mpitandrin-draharahany ny tompom’ilay tanim-boaloboka hoe: ‘Antsoy ireo mpiasa ary haloavy ny karaman’izy ireo, manomboka avy any amin’ny farany mankany amin’ny voalohany.’ 9Rehefa tonga ireo mpiasa izay nalaina tamin’ny ora fahiraika ambiny folo, dia nahazo denaria iray tsirairay avy izy ireo. 10Rehefa tonga ireo mpiasa voalohany, dia nihevitra fa ahazo mihoatra izy ireo, kanefa izy reo ihany koa dia nahazo dinaria iray tsirairay avy.

11Rehefa nahavoaray ny karamany izy ireo, dia nitaraina momba ilay tompon-tany izy ireo. 12Hoy izy ireo hoe: ‘Ireo mpiasa farany ireo dia niasa adin’iray fotsiny, nefa dia nampitovianao taminay izy ireo, izahay izay nisaka ny vesatry ny tontolo andro sy niharitra hain‘andro.’

13Fa namaly ilay tompon-tany ka niteny tamin’ny iray tamin’izy ireo hoe: ‘Ry sakaiza, tsy manao izay tsy mety aminao aho. Tsy denaria iray va no nifanarahanao tamiko? 14Raiso izay anao ary zory ny lalanao. Izaho dia nifidy ny hanome ho an’ireo mpiasa nokaramaina farany tahaka ny anao ihany.

15Tsy manan-jo hanao araka izay tiako amin’izay ahy ve aho? Sa mialona ve ianareo satria malala-tanana aho?’ 16Ka ny farany dia ho voalohany, ary ny voalohany ho farany.‘’ [Fanamarihana: Ny dikan-teny taloha tsara indrindra dia manala ny hoe: “Maro no nantsoina fa vitsy ny voafidy.”]

17Raha hiainga ho any Jerosalema Jesosy, dia naka ireo roa ambin’ny folo teo anilany Izy, ary teny an-dalana Izy niteny tamin’izy ireo hoe: 18‘’Indro, hiakatra ho any Jerosalema isika, ary ny Zanak’Olona dia hatolotra eo amin’ny lohan’ny mpisorona sy ireo mpanora-dalàna. Izy ireo dia hanameloka Azy ho faty 19ary hanolotra Azy amin’ireo Jentilisa mba hiomehezana, ho kapohina, ary hanombohana Azy amin’ny hazofijaliana. Fa amin’ny andro fahatelo dia hatsangana indray Izy.‘’

20Avy eo ny renin’ireo zanaka lahin’i Zebedio nanatona an’i Jesosy niaraka tamin’ireo zanany lahy. Niankohoka teo anatrehany izy ary nangataka zavatra avy Aminy. 21Hoy Jesosy taminy hoe: ‘’Inona no irinao?‘’ Hoy izy taminy hoe: ‘’Mandidia mba hipetrahan’ireto zanako roa lahy ireto, ny iray eo an-tananao ankavana ary ny iray eo an-tananao ankavia, ao amin’ny fanjakanao.‘’

22Fa Jesosy namaly ary niteny hoe: ‘’Tsy fantatrareo ny zavatra angatahinareo. Afaka ny hisotro ny kapoaka izay ho sotroiko va ianareo?‘’ Namaly izy ireo hoe: ‘’Afaka izahay.‘’ 23Hoy Izy tamin’izy ireo hoe: ‘’Hisotro ny kapoakako tokoa ianareo. Fa ny hipetraka eo an-tanako ankavanako sy ankaviako dia tsy anjarako no manome, fa an’ireo izay efa nomanin’ny Raiko.‘’ 24Rehefa nandre izany ireo mpianatra folo lahy hafa, dia tezitra mafy tamin’ireo mpirahalahy roa.

25Fa Jesosy niantso azy ireo hankeo aminy ary niteny hoe: ‘’Fantatrareo fa ireo mpanapak’ireo Jentilisa dia hangeja azy ireo, ary ireo lehilahy manan-danjan’izy ireo dia hampiatra ny fahefany eo amin’izy ireo. 26Fa tsy tokony ho toy izany ny aminareo. Mifanohitra amin’izany, na iza na iza maniry ny ho lasa lehibe aminareo dia tsy maintsy ho mpanomponareo, 27ary na iza na iza maniry ny ho voalohany eo aminareo dia tsy maintsy ho mpanomponareo, 28tahaka ny Zanak’Olona tsy tonga ho tompoina, fa hanompo, ary hanome ny ainy mba ho vidim-panavotana ho an’ny maro.‘’

29Raha nivoaka avy any Jeriko izy ireo, dia vahoaka maro no nanaraka Azy. 30Nisy lehilahy jamba roa nipetraka teo amoron-dalana. Rehefa nandre fa nandalo Jesosy, dia nihiaka mafy izy ireo hoe: ‘’Tompo, zanak’i Davida, mamindrà fo aminay‘’. 31Nibedy azy ireo ny vahoaka, niteny azy ireo mba hangina, kanefa vao mainka izy ireo niantsoantso mafy hoe: ‘’Tompo, zanak’i Davida, mamindrà fo aminay.‘’

32Avy eo Jesosy nijanona ary niantso azy ireo sady niteny hoe: ‘’Inona no irinareo ho ataoko aminareo?‘’ 33Hoy izy ireo taminy hoe: ‘’Tompo, mba hahiratra ny masonay‘’ Avy eo Jesosy, nangoraka, ka nikitika ny mason’izy ireo. Avy hatrany dia nahiratra izy ireo ary nanaraka Azy.

34

Copyright information for PltULB